Malgache

Vavaka eo anoloan 'ny ôtely lehibe Ry kristianina havana, manetre tena, mandiniha, fa i Jesoa ilay tsy manan-tsiny dia voaheloka ho faty, hamonjy antsika. Amin'izao fanompoam-pivavahana izao no hahitantsika ny nataon'ilay Zanak'Andriamanitra hampisehoany ny fitiavany antsika. Mpitarika: Ry Jesoa Andriamanitra ô, tonga eto izahay mba handinika ny Lalan'ny Hazofijalianao; hanara-dia Anao Mpiandry ondry tsara izahay, fa Ianao nahafoy ny ainao ho an'ny ondrinao, ho an'ny tenanay. Vahoaka : Ampio izahay amin'izao fandinihana masina izao. Mpitarika: Diovy ny fonay ary herezo mba hazava lalandava eo imasonay ny nataonao; ho henonay ny anatrao, ary mba hotanterahinay isanandro ny adidinay. Vahoaka : Mba ho mendrika ny fanjakanao izahay! Mpitarika: Ry Masina Maria, Reny be alahelo ô, ianao no voalohan' ny voaavotra! Vahoaka : Mitalahoa amin'ny Zanakao mba hamindra fo Izy. 1. I JESOA HELOHINA HO FATY Mpitarika: Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa. Vahoaka : Fa lanao nanavotra ny olombelona tamin'ny Hazofijalianao masina. Teo anatrehan’ny pilaty ny vahoaka nosoavin’i Jesoa, dia nivadika taminy ka nangataka handefasana an’i Barabasy jiolahy. Fa i Jesoa zokintsika, ilay Tompo zanahary dia nolazain’ny vahoaka sy ilay mpitsara fa mendrika ho faty. Mpitarika: Indro i Jesoa voakapoka, nosatrohina fehiloha tsilo, nijoro teo anatrehan'i Pilaty sy ny vahoaka Jody ny Tenany no nisolo heloka antsika rehetra. Fa hoy ny vahoaka Jody: Fantsiho amin'ny Hazofijaliana Izy. Vahoaka : Ny tenanay koa mamerina izany teny izany; ny tenanay no manameloka Anao isaky ny mandika ny didinao. Mpitarika: Ry Jesoa Andriamanitra ô, herezo ny fonay mba hanekenay ny sitraponao masina na amin'inona na amin'inona. Vahoaka : Ampio izahay, ry Jesoa! Mpitarika: Mamindrà fo aminay, ry Tompo. Vahoaka : Mamindrà fo aminay Mpitarika: Aoka anie mba handry amin'ny fiadanana noho ny famindrampon' Andriamanitra ny fanahin'ny kristianina efa maty. Vahoaka : Amen. 2. I JESOA AMPITONDRAINA NY HAZOFIJALIANA I Jesoa mandray ny hazo hamonoana Azy tahaka ireo jiolahy, fa very ra be loatra izy ka mivembena dia lavo. Mba fantaro, ry kristianina fa ny ratsy nataontsika no nentin’i Jesoa Zokintsika ka mandreraka Azy toy izao. Mpitarika: Voaheloka i Jesoa. Amin'ny fo feno fandeferana tokoa no andraisany ny Hazofijaliana ampitondrain'ny miaramila Azy. Koa mba hanekeny ny sitrapon'ny Rainy dia nentiny ny hazo hamonoana Azy, nolanjainy hatrany an-tendrombohitra hanaovany sorona ny Tenany tahaka ny nataon'i Isaaka fahiny. Vahoaka : Ny haratsianay ry Jesoa, no nandrafitra ny Hazofijalianao. Mpitarika: Hoy i Jesoa: « Izay te-ho mpianatro aoka handray ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy ». Eny, hanaradia Anao isan'andro izahay. Vahoaka : Be fahoriana eto an-tany. Ianao nijaly, ka izahay koa vonona handefitra izay hihatra aminay isan' andro. 3. I JESOA LAVO NOHO NY HAVESARAN’NY HAZOFIJALIANA Indro ny zanak’Andriamanitra lavo mihohoka amin’ny tany, fa mafy loatra ny manjo Azy hatramin’ny nisamborana Azy. Miarina haingana anefa Izy mba ho fianarantsika sy hanome hery antsika mba hialantsika amin’ny ota. Tsy mahagaga raha lavo noho ny havesaran'ny Hazofijaliana Ianao, ry Jesoa, fa efa reraka loatra tamin'ny nikapohana Anao; sady ny làlana miakatra amin'ny tendrombohitra, ratsy. Fa mbola nanampy trotraka nanavesatra Anao indray ny fahotanay! 4. I JESOA MIFANENA AMIN’NY RENINY Adrey ! zany fahorian’i Jesoa sy ny reniny, torotoro ny fon’i Maria, Jesoa efa reraka tokoa. Mifona izahay, ry Reny Malala, fa ny toetranay ratsy no nahatonga an’i Jesoa sy ianao Reniny hijaly toy izao. I Masina Maria nifanena tamin'ny Zanany milanja ny Hazofijaliana mavesatra teny amin'ny lalana taritaritin'ny olo-masiaka maro sy hodidinina vahoaka ratsy mpivadika manevateva Azy. Tanteraka ilay tenin'i Simeôna, tamin'ny nanoloran'I Masina Maria ny Zanany tao amin' ny tempo1y hoe: « Hotanterahin-tsabatra alahelo ny fanahinao ». 5. I SIMONA LEHILAHY SIRENEANINA MANAMPY AN’I JESOA MITONDRA NY HAZOFIJALIANA Nampitombo ny faharerahan’i Jesoa ny nahitany an-dReniny, ka noteren’ny mpamono Azy hanampy Azy i Simôna sendra nandalo. Ry Jesoa Tompo malala, akambanay amin’ny Anao ny asanay sy ny fijalianay ho onotry ny ratsy nataonay. * Taitra loatra i Jesoa tamin'Izy nifanena tamin'ny Reniny malalany, nitombo ny faharerahany, mivembena Izy ka atahoran'ny mpamono Azy sao tsy tonga any amin' ny tany hamonoana Azy, ka i Simôna, olona nandalo, no noteren'ny miaramila hanampy an'i Jesoa hilanja ny Hazofijaliana. I Simôna tandindon'ireo mpianatr'i Jesoa hanaiky ny teniny hoe: Raiso ny jiogako, satria mora entina ary maivana. 6. VEHIVAVY TIA VAVAKA MAMAOKA NY TAVAN’I JESOA Be herim-po tokoa io vehivavy tsara fo io, fa nanavasava ny miaramila ka namaoka ny tavan’i Jesoa. Soraty ho raikitra ato amponay ny endrikao, ry Tompo tsy foy, mba tsy hahamenatra anay ny maha-kristianina anay. * Tazan'ity vehivavy ity ny tarehin'i Jesoa feno rehoka sy vovoka: amin-kerim-po izy no nanavasava ny miaramila hamaoka izany tava efa niova izaitsizy izany. Ho valin' ny herim-pony sy ny fitiavany dia nipetaka tamin'ilay lamba fotsy namaohany azy ny sarin'ny Tompony malalany. 7. I JESOA LAVO FANINDROANY Ry Jesoa be fitiavana ô; indro Ianao lavo indray, koa ny haratsianay maro loatra mba asaovy iarenanay. Omeo anay ny herinao mba tsy hamoy fo izahay fa hiarina tokoa amin’ny haratsianay. * Mihareraka ny Tompo mila tsy ho zakany ny fahoriana, ka lavo indray Izy. Nefa miarina hatrany Izy mba hanatanteraka ny soron'ny Tenany. Indro Ianao, ry Jesoa, fa mitovy aminay ka miseho ho malemy, fa ny fahalemenay kosa dia ny fahotana; tsy mba indroa izahay no lavo fa imbetsaka. 8. I JESOA MANAFAKA ALAHELO IREO VEHIVAVY MASINA NANARAKA AZY Hoy Jesoa tamin’ireo nitsetra Azy : « Ny tenanareo itomaniana, mba ho afa-tsiny ianareo eo anatrehako » Fa efa akaiky ny fitsarako ny tanànanareo sy ny mpamadika rehetra izay tsy mibebaka amin’izao. * Maro ny vahoaka nanaraka an'i Jesoa. Nisy vehivavy masina nangoraka sy nitomany Azy. Fa hoy Izy: « Aza mitomany Ahy foana ianareo fa ny tenanareo sy ny firenenareo itomaniana, fa raha izao no atao amin'ny hazo lena, inona kosa no hatao amin'ny hazo maina ? » 9. I JESOA LAVO FANINTELONY Jesoa lavo fanintelony dia efa reraka tokoa, nefa miarina haingana mba ho ohatra ho antsika. Mba hatolory ny tananao hanampy anay ry Jesoa, fa maro ny fakampanahy ka sao dia resy izahay. * Tapitra ny dianao, ry Tompo. Efa nihakely ny ainao ka lavo indray Ianao voatsindrin'ny hazo mavesatra. Nisaintsaina ireo olona rehetra ho vonjena. Ho azy rehetra, ry Jesoa, ho anay rehetra, no anekenao handia ny lalan-tsarotra. Izahay rehetra no noheverinao tamin'ireny fisasaranao ireny. Tsinjonao ireo hanao tsinontsinona ny Ranao hatramin'ny taona mifandimby sy ireo hanalavitra Anao. 10. I JESOA ENDAHINA AKANJO Tonga eo an-tampon’ny Kalvery: endahina ny akanjony, ny fery tamin’ny nikapohana Azy dia velona daholo indray. Toa fery iray ihany ny Tenanao satria tianao honerana tsirairay ireo fahotana sy haratsiana ataonay amin’ny fandrenesanay rehetra. * Miraikitra amin'ny sorony mandeha ra ny akanjony, misokatra indray ny feriny ka mivoaka ra, mampanaintaina ny Tenany manontolo ny fangirifiriana. 11. I JESOA FANTSIHINA AMIN’NY HAZO FIJALINA Jereo ny mpamono masiaka mamantsika an’i Jesoa Tompo, manaintaina ny tongotra aman-tanany, ny Rany mandriaka avy amin’ny hozany. Ny fitiavanao anay, ry Jesoa, no nanoloranao ny Tenanao maratra amin’ny Rainao. * I Jesoa manolo-tena amin'ny mpamono mba hofantsihana ka miampatra ho azy eo ambonin'ny Hazofijaliana. Tsy nahalala Ilay fantsihany izy ireo fa adidy moa ny azy ka dia ataony. Izany hamafin'ny fangotsongotsohana niaretanao, ry Jesoa mpamonjy! ho anay no nandeferanao izany. 12. I JESOA MIALA AINA EO AMBONIN’NY HAZOFIJALIANA Averinay aminao ry Jesoa ny fangatahan’ilay jiolahy : « Mba tsarovy koa izahay rehefa tonga any amin’ny fanjakanao Ianao ». Omeo anay ny fahasoavanao mba tsy hamoy fo izahay fa ny famelanao ihany no maha-zanakao indray. * Io i Jesoa mihantona amin'ny Hazofijaliana ka miala aina eo anelanelana jiolahy roa. Tena mahagaga tokoa ny hatsarana sy ny herin'ny fitiavany: Ifonany amin'ny Rainy ireo mamono Azy. « Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony ». Ankininy amin’ilay mpianany Reniny: « Joany, io ny Reninao! » « Tontosa ny zava-drehetra », hoy Izy, dia niala aina ho antsika Izy. 13. I JESOA MATY KA ESORINA EO AMIN’NY HAZOFIJALIANA DIA APETRAKA EO AN-TANAN-DRENINY Ry Maria reny malala, tsy iza fa izahay ihany no namono ny zanakao noho ny ratsy nataonay. Koa herezo mafy izahay hiala tokoa amin’ny ota rehetra mba hahafaly anao. * Avy notrebonin'ny miaramila ny lefona ny tratran'i Jesoa, dia nomena an-dReniny ny fatiny. Tena Reny be alahelo sy mpanjakan’ny Martiry tokoa i Maria. « Ianareo rehetra mandalo, jereo ary diniho raha misy fahoriana mitovy amin'ny ahy? » Fa i Masina Maria tsy malahelo tahaka an'ireo tsy manan-kantenaina. Fantany fa i Jesoa Zanany, dia Zanak' Andriamanitra. Izy no fitsanganana sy fiainana ho antsika. 14. I JESOA ALEVINA Tanteraka tokoa ny soron’ny tenanao nahafapo ny Rainao, ka voasasa ny otanay. Koa velom-panantenana izahay noho ny Teninao fa hitsangana tokoa raha manara-dia Anao. * Mpianatra vitsivitsy no nandevina ny fatin'i Jesoa. Maro no iray hevitra tamin'ny Jody hoe: maty miaraka amin'i Jesoa ny fanantenana famonjena. I Maria kosa mahatadidy tsara ny tenin'ny Zanany hoe: « Amin'ny andro fahatelo Aho hitsangan-ko velona ». Fivavahana farany Ry Kristianina havana, hitanao amin' izao ny nataon'ny Tomponao ho an'ny tenanao! Vonona tokoa aho, ry Tornpo, ny hamaly ny fitiavanao: ialako tokoa ny ratsy fa matoky Anao aho. Mpitarika: Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba, tsinjovy ity fianakavianao etoana izay nahafoizanao tena hijaly sy ho faty. Noho ny fitalahoan'i Maria Reninay sy Reninao koa, dia ekeo ny fivavahanay na dia tsy mendrika aza, ka mba raiso any amin'ny fanjakanao izahay rahefa maty, ary mba raiso any an-danitra ny havanay sy ny sakaizanay ary ny mpanao soa anay efa nody mandry fa hamonjy anay no nahafatesanao, ry Jesoa. Vahoaka : Tompo ô, mamindrà fo aminay, mamindrà fo amin'ny vahoakanao ! Fivavahana eo anatrehan’ny sarin’i Jesoa Kristy mifantsika Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra, inty aho mandohalika sy miankohoka eto anatrehanao ary milelaka ny faladianao sy mitalaho mafy aminao: mba velomy sy ahomboy mafy ao am-poko ny finoana sy ny fanantenana sy ny fitiavana, ary ny fanenenana marina amin'ny ratsy rehetra nataoko sy ny fikasana mafy tsy hanao azy intsony, fa mitsetra sy malahelo tokoa aho izao mieritreritra sy mibanjina ny fery diminao sady mahatsiaro ireto teninao naloakan'ny vavan'i Davida mpaminany ireto heo : « Voaloakan’izy ireo ny tanako sy ny tongotro ary voaisany ny taolako rehetra ».

Français

Prière devant le grand autel Chrétiens, soyez humbles, considérez que l'innocent Jésus a été condamné à mort, pour nous sauver. Dans cette adoration, nous verrons ce que le Fils de Dieu a fait pour nous montrer son amour. Animateur: Jésus Dieu, nous sommes ici pour étudier le chemin de ta croix; Nous te suivrons, bon berger, car tu as donné ta vie pour tes brebis, pour nous-mêmes. Les gens: Aidez-nous dans cette étude sacrée. Animateur: Purifie nos cœurs et fortifie-nous pour que ce que tu as fait soit toujours clair à nos yeux; afin que nous écoutions tes préceptes, et que nous puissions faire notre devoir jour après jour. People: Puissions-nous être dignes de votre royaume! Animateur: Sainte Marie, Mère en deuil, vous êtes la première à être sauvée! Personnes: Priez pour que votre Fils ait pitié. 1. JÉSUS EST CONVIENT À MOURIR Animateur: Nous vous adorons et vous remercions, Jésus. Les gens: Pour votre manière de racheter l'humanité avec votre Sainte Croix. En présence des pilotes, les gens que Jésus avait appelés, l'ont trahi et ont exigé qu'il leur relâche Barabbas. Mais le peuple et le juge ont dit que notre aîné Jésus, le Seigneur naturel, était digne de mort.Animateur: Voici, Jésus est battu, couronné d'épines, debout devant Pilate et le peuple juif lui-même, au nom de nous tous. Alors les Juifs dirent: Qu'il soit crucifié. Les gens: nous répétons nous-mêmes ce mot; nous vous condamnons chaque fois que vous enfreignez vos commandements. Animateur: Ô Jésus Dieu, fortifie nos cœurs afin que nous puissions nous soumettre à votre sainte volonté en toutes choses. Les gens: Aidez-nous, Jésus! Animateur: Ayez pitié de nous, Seigneur. Personnes: ayez pitié de nous Animateur: Que les âmes des chrétiens décédés reposent en paix grâce à la miséricorde de Dieu. Personnes: Amen. 2. JÉSUS APPORTE LA CROIX Jésus prend la croix pour le tuer comme les voleurs, mais il perd tellement de sang qu'il trébuche et tombe. Veuillez comprendre, chrétiens, que notre aîné Jésus a porté nos péchés et l'a fatigué. Animateur: Jésus est condamné. Avec un cœur très humble, il accepte la Croix envoyée par les soldats. Ainsi, pour se soumettre à la volonté de son Père, il a pris l'arbre pour le tuer, l'a porté sur la montagne pour se sacrifier comme Isaac l'avait fait dans le passé. Les gens: Notre iniquité, Jésus, a fait votre croix.Animateur: Jésus a dit: "Quiconque veut être mon disciple, qu'il prenne sa croix et me suive." Oui, nous vous suivrons tous les jours. Les gens: Il y a tellement de souffrance dans le monde. Vous avez souffert, nous sommes donc prêts à endurer tout ce qui nous arrive chaque jour. 3. JESUS ​​TOMBE EN RAISON DU POIDS DE LA CROIX Voir! Mais Il se lève rapidement pour notre apprentissage et pour nous donner la force de nous détourner du péché. Pas étonnant que tu sois tombé du poids de la croix, Jésus, car tu étais trop fatigué pour être battu; et le chemin des montagnes est mauvais. Mais nos péchés ont encore ajouté à votre fardeau! 4. JÉSUS RENCONTRE SA MÈRE Adrey! la douleur de Jésus et de sa mère, le cœur brisé de Marie, le Jésus fatigué. Nous nous excusons, chère Mère, que notre mauvais comportement ait fait souffrir Jésus et vous, sa Mère, de cette manière. La Bienheureuse Vierge Marie a rencontré son Fils portant la lourde croix sur le chemin traîné par de nombreux méchants et entouré d'un peuple méchant et perfide qui l'a blasphémé. Les paroles de Siméon se sont accomplies lorsque la Bienheureuse Vierge Marie a présenté son Fils dans le temple1: "Votre âme sera remplie de l'épée de la douleur." 5.Simon le Syrien, AIDER JESUS ​​A APPORTER LA CROIX Voir sa mère a augmenté la faiblesse de Jésus et son assassin a forcé Simon à passer. Cher Seigneur Jésus, nous nous joignons à vous dans notre travail et nos souffrances à la suite de nos mauvaises actions. * Jésus a été tellement choqué quand il a rencontré sa mère bien-aimée, il s'est fatigué, il a titubé que ses assassins craignaient de ne pas venir au pays pour le tuer, alors Simon, un passant, a été forcé par les soldats d'aider Jésus à porter la croix . Simon est un type de disciples de Jésus qui acceptera ses paroles: Prenez mon joug sur vous, car il est léger et facile à porter. 6. UNE FEMME QUI PRIE POUR BOIRE LE VISAGE DE JESUS Cette gentille femme était si courageuse qu'elle a fouillé les soldats et essuyé le visage de Jésus. Ecris ta face dans nos cœurs, Seigneur infaillible, afin que nous n'ayons pas honte d'être chrétiens. * Cette femme a vu le visage de Jésus plein de poussière et de poussière: elle a courageusement persuadé les soldats d'enlever ce visage complètement changé. En échange de son courage et de son amour, une photo de son Maître bien-aimé a été apposée sur le tissu blanc qu'elle avait essuyé. 7. JESUS ​​TOMBE UNE SECONDE FOIS Aimer Jésus; voici, tu es tombé, et notre iniquité est trop grande pour que nous puissions nous relever.Donne-nous ta force pour que nous n'abandonnions pas mais ressusciterions dans notre méchanceté. * Le Seigneur est las de la souffrance, alors Il retombe. Mais il se lève toujours pour accomplir son propre sacrifice. Voici, Jésus, tu es comme nous, et nous sommes faibles, mais notre faiblesse est le péché; nous ne sommes pas tombés deux fois, mais plusieurs fois. 8. JESUS ​​LIBERE LES FEMMES SACREES QUI LE SUIVENT Jésus a dit à ceux qui avaient pitié de lui: "Pleurez sur vous-mêmes, afin que vous soyez irréprochables devant moi." Car je viens juger votre ville et tous vos traîtres qui ne se sont pas repentis. * De nombreuses personnes ont suivi Jésus. Une sainte femme a sympathisé avec lui et a pleuré sur lui. Mais Il a dit: "Ne pleurez pas pour moi, mais pour vous et pour votre peuple qui pleure, car s'ils font ces choses dans un arbre vert, que fera-t-il dans le sec?" » 9. LA TROISIÈME CHUTE DE JÉSUS La troisième fois que Jésus est tombé, il est très fatigué, mais il se lève rapidement pour être un exemple pour nous. Jésus, donne-nous la main pour nous aider, car il y a tellement de tentations que nous pourrions être vaincus. * Votre voyage est terminé, Seigneur. Votre vie a été courte et vous êtes retombé sous le poids d'un arbre lourd. Tout le monde pensait être sauvé. Pour eux tous, Jésus, pour nous tous, vous nous permettez de prendre le chemin difficile.Vous avez pensé à nous tous dans vos travaux. Vous voyez ceux qui mépriseront votre sang pour les années à venir et ceux qui se détourneront de vous. 10. JÉSUS EST HABILLÉ DE VÊTEMENTS Il est arrivé au sommet du Calvaire: ses vêtements ont été arrachés, les blessures de ses coups ont été cicatrisées. Vous semblez être une blessure parce que vous voulez compenser chacun de nos péchés et iniquités dans tout ce que nous entendons. * Ses vêtements s'accrochent à ses épaules saignantes, ses blessures sont à nouveau ouvertes et il saigne, la douleur est partout sur lui. 11. JÉSUS EST CRUCIFIXÉ SUR LA CROIX Regardez le meurtrier cruel crucifiant le Seigneur Jésus, avec des douleurs dans les membres, le sang coulant de ses muscles. C'est votre amour pour nous, Jésus, que vous vous êtes donné à votre Père. * Jésus se rend au meurtrier pour être crucifié et se couche sur la croix. Ils ne connaissaient pas Son ongle mais c'était leur devoir, alors ils l'ont fait. Telle est la sévérité de l'agonie que vous avez endurée, ô Sauveur Jésus! car vous l'avez toléré. 12. JÉSUS EST MORT SUR LA CROIX Jésus, nous te répétons la demande du voleur: "Souviens-toi de nous quand tu entreras dans ton royaume".Donne-nous ta grâce pour que nous ne soyons pas découragés mais seulement par ton pardon comme ton enfant à nouveau. * C'est Jésus accroché à la croix et mourant entre deux criminels. La beauté et la puissance de son amour sont vraiment étonnantes: il plaide auprès de son Père pour ceux qui le tuent. "Pardonnez-leur de ne pas savoir ce qu'ils font." Il confie sa mère à son disciple: "Jean, c'est ta mère!" «Tout est possible», a-t-il dit, et il a donné sa vie pour nous. 13. JÉSUS MORT, EST ENLEVÉ DE LA CROIX ET EST PLACÉ DANS LA MAIN DE SA MÈRE Chère Mère Marie, nous sommes les seuls à avoir tué vos enfants pour notre faute. Alors encouragez-nous à nous détourner de tout péché pour vous plaire. * Après que les soldats aient percé la poitrine de Jésus avec une lance, son corps a été remis à sa mère. Marie était en effet une mère en deuil et un roi des martyrs. "Vous tous qui passez, regardez et voyez s'il y a une tribulation comme la mienne?" Mais la Bienheureuse Vierge Marie ne pleure pas comme les désespérés. Il savait que son Fils, Jésus, était le Fils de Dieu. Il est notre résurrection et notre vie. 14. JÉSUS EST ENTERRÉ Le sacrifice de votre Père était si parfait que nos péchés ont été effacés. Nous espérons donc dans Ta Parole que nous ressusciterons vraiment si nous vous suivons. * Quelques disciples enterrent le corps de Jésus.Beaucoup ont convenu avec les Juifs que l'espoir du salut était mort avec Jésus. Marie se souvint des paroles de son Fils, disant: «Le troisième jour, je ressusciterai». Dernière religion Chrétiens, maintenant vous voyez ce que votre Seigneur a fait pour vous! Je suis prêt, ô Tornpo, à rembourser ton amour: je me détourne vraiment du mal mais j'ai confiance en toi. Animateur: Nous vous supplions, Seigneur, de prendre soin de votre famille ici où vous avez souffert pour souffrir et mourir. Par l'intercession de Notre Mère Marie et de Votre Mère, acceptez notre religion même si elle n'en est pas digne, afin que nous soyons reçus dans votre royaume à la mort, et que nos parents, amis et bienfaiteurs soient reçus au ciel.Vous êtes mort, mais tu es mort pour nous, Jésus. Peuple: Seigneur, ayez pitié de nous, ayez pitié de votre peuple!Prière en présence de l'image crucifiée de Jésus-Christ Ô très gracieux et cher Jésus, me voici à genoux et m'inclinant devant toi, te léchant les pieds et te suppliant: garde vivant et proche dans mon cœur la foi, l'espérance et l'amour, et la vraie repentance du mal tout ce que j'ai fait et ma détermination à ne pas refaire, mais je suis tellement désolé et triste maintenant que je pense et regarde vos cinq blessures et me souviens de ces paroles de la bouche du prophète David: «Ils m'ont coupé les mains et les pieds, il compte tous mes os ».

TraductionAnglais.fr | Traduction Malgache-Français Système Gratuit, Fiable et Efficace?

Assurez-vous de respecter les règles d'écriture et la langue des textes que vous traduirez. Les utilisateurs doivent garder à l’esprit lors de l’utilisation du système de dictionnaires TraductionAnglais.fr que les mots et les textes utilisés lors de la traduction sont stockés dans la base de données et partagés avec les autres utilisateurs dans le contenu du site Web. Pour cette raison, nous vous demandons de faire attention à ce sujet dans le processus de traduction. Si vous ne souhaitez pas que vos traductions soient publiées dans le contenu du site Web, veuillez contacter →"Contact" par courrier électronique. Dès que les textes pertinents seront supprimés du contenu du site.


Règles de confidentialité

Les fournisseurs tiers, y compris Google, utilisent des cookies pour diffuser des annonces en fonction des visites antérieures des internautes sur votre site Web ou sur d'autres pages. Grâce aux cookies publicitaires, Google et ses partenaires adaptent les annonces diffusées auprès de vos visiteurs en fonction de leur navigation sur vos sites et/ou d'autres sites Web. Les utilisateurs peuvent choisir de désactiver la publicité personnalisée dans les Paramètres des annonces. Vous pouvez également suggérer à vos visiteurs de désactiver les cookies d'un fournisseur tiers relatifs à la publicité personnalisée en consultant le site www.aboutads.info.